Voady mandrakizay nataon'i Fr Jean Félix, PDP

 

Miarahaba indrindra an'i Fr Jean Félix, ao amin'ny Fikambanana Piccola opera della Divina Provvidenza (PDP)  nanao ny dingana voalohany tamin'ny Fanororantena mandrakizay, izay natao teny amin'ny eglizy Santa Maria Mater Dei eny amin'ny via della Camilluccia, Roma tamin'ity faran'ny herinandro ity.

Mirary anao handroso hatrany amin'ny lalindalina tokoa amin'ny maha-mpanaraton'i Jesoa anao.
Misaotra ireo nitondra azy am-bavaka tamin'ity andro lehibe ity, sy izay rehetra tonga nanotrona azy.