Alahady 29 oktobra, faha-30 mandavantaona nentanin'ny Fraternità malgascia

 

I aumônier no nitarika ny Sorona Masina notronon'i mompera Faly, Barnabé ary Joslin. Ny Fikambanana Fraternità Malgascia kosa no nanomana litorjia sy nanentana.

Taorian'ny Sorona Masina no nanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitondra ny Ankohonana manomboka amin'ity taona pastoraly ity ka ho hitantsika ao amin'ny vaovaom-piangonana avokoa ny antsipiriany momba izany.

Nofaranana tamin'ny fiaraha-miala hetaheta ny alahadin'ny Ankohonana androany.