Miarahaba antsika rehetra !
Nankalaza ny alahady faha-32 mandavantaona (A) isika ny 12 nôvambra 2023 teo. I môpera Aimé (diosezy Miarinarivo) no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'ireo pretra maromaro (P.P. Etienne, Andry, Mamy, Tojo, Joslin, Pascal). Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy - nisolo tena azy ireo mivantana ny Maseran'i Md Joany Batista sy ny Pretra dehônianina - no nanomana sy nanentana ny litorjia. Môpera Joslin no teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana isika rehetra tamin'ny fandraisana anjara isan-karazany tamin'ny fanatanterahantsika ny fiaraha-mivavaka. Isaorana ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" nandio ny fiangonantsika taorian'ny lamesa.
Tamin'io sorona masina io ihany koa no nitondrana am-bavaka ny Biraon'ny Ankohonana Rasoamanarivo roa tonta, dia ny teo aloha sy ny vaovao vao avy nofidina. Nanao ny famindra-draharaha mantsy izy ireo ka ireto indray izany ny ao amin'ny Birao mitondra ny Ankohonana mandritra ny 3 taona manaraka :
Présidente : Hanitra RAHARISOLO
Vice-Président : Sylvestre RANDRIAMASY
Secrétaire : Laurencia RALISOA
Vice-Secrétaire : Sylvain Romuald RAMANDIMBIARISOA
Trésorière : Ernestine RASOARIMALALA
Vice-Trésorier : Hasina RAKOTOMANANA
Anjaran'ny M.D.M.K. indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 19 nôvambra 2023. Môpera Faly no hitarika ny sorona masina amin'io andro io.
Mikorontandrontana i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Hamafiso hatrany àry ny vavaka ataontsika ho an'ny Fiirenena sy mpiray tanindrazana amintsika mba ho entanin'ny fitiavana hatrany isika. Hiezaka hanalavitra ny fitompoan-teny fantatra izay mety handavaka hantsana mampisaraka antsika anie isika ary hitady kosa ilay elanelam-panahy mitondra antsika any amin'ny tena fihavanana.
Mirary soa antsika rehetra,
P. Pascal sj