Teny amin'ny Collegio Del Verbo Divino (SDV) teny ny solontena vitsivitsy avy amin'ny Ankohonana, namaly ny fanasan'izy ireo tamin'ity "Mission Sunday" ity - alahady 13 oktobra, natokana hiraisan'ny katolika eran-tany amin'ny alalan'ny vavaka, firaisankina ary fanohanana ny ezaka hampandrosoana ny Eglizy.
Nandray anjara tamin'ny Fitondrana ny Tenin'Andriamanitra isika, izay niavaka tokoa na tsy nisy fiomanana be aza.
Rehefa nahazo vatsim-panahy ny rehetra dia nifamotoana tao an-tokontany indray, samy nampahafantatra ireo karazan-tsakafo sy ireo sora-dihy mampiavaka azy avy.


























































