Fandraisan'i mgr Gustavo Bombin ny Pallium tao amin'ny bazilikan'i Md Piera

 

Natolotry ny Papa François an'i mgr Gustavo Bombin Espino androany 29 jiona, andro fankalazana manetriketrika an'i Md Piera sy Paoly, ny pallium, mariky ny maha-arseveka azy.

Tonga maro ny Ankohonana nanotrona izay fotoan-dehibe izany ka rehefa vita ny tao amin'ny bazilika dia niara-nirohotra nankeny amin'ny Residenza Canisio ny rehetra nandray tanàna azy sy niaraka nikorana taminy.