Sorona Masina ho an'ny fialantsasatry ny fanahin'i masera Christine, fnse

 

Tamim-pahatairana sy alahelo lehibe no nandraisana ny vaovao fa nodimandry tampoka tamin'ny 29 aogositra teo i masera Christine Soandroso ao amin'ny Fikambanana "Figlie di Nostra Signora dell'Eucaristia".

Nisy Sorona Masina ho an'ny fialantsasatry ny fanahiny natao tao amin'ny casa generalizia ao Ercolano ny alatsinainy 31 aogositra ary ny talata 1 septambra izy no nalevina any amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ercolano.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany izay lavitra tokoa tamin'ity fotoana nanjombona ity, ho an'ny Fikambanana misy an'i masera Christine, ho an'ireo rahavaviny rehetra ao amin'ny Tompo, hoan'ireo tapaka sy namana ary havana akaiky azy eto Italia ao amin'ireo fikambanana isan-tsokajiny sy ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.

Handry am-piadanana anie ny fanahiny.