Tafavory nanodidina ny Eokaristia indray ny Ankohonana amin'izao alahady voalohan'ny volana septambra izao, rehefa samy mbola tany amin'ny misy azy avy nandritra ny volana aogositra, fialan-tsasatra.
I aumônier no nitarika ny Sorona Masina ary nanotrona azy ry mompera Toky, Fabrice, Fulgence, ... ary Rémi. Ny Zanaky ny Diosezin' Ambanja kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.






























































































