Tahirintsary

Fetim-piangonana 2016

 

Na dia teo aza ny korontana vokatry ny horohoron-tany izay niseho ny marainan'ny alahady 30 oktobra 2016, ka nampiikatso tanteraka nandritra ny ora maro ny Metro dia nisinisy ihany ireo Kristianina no afaka namonjy ity fety ity. Isaorantsika Andriamanitra, ary isaorana ihany koa isika rehetra.

 

Kilalao Noely

 

Natao ny alahady 21 desambra ny kilalaon'ny Noely izay niarahana tamin'ireo fikambanana isan-tsokajiny teto amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma. Nahitana ny tsianjerin'ny ankizy sy ny hira nataon'ireo avy amin'ny Antoko mpihira, ny KaMeMa, ny MDMk, ny TeFi ary ny Relijiozy sy pretra. Tao amin'ny efitrano malalaky ny Paroasy Santa Maria della Visitazione teny amin'i P. Alain no nanaovana ny lamesa maraina sy ny fiaraha-misakafo ary ny korana Noely ny hariva.

Sary vitsivitsy mirakitra izany: