Vaovaompiangonana

P. Faly, mpiandraikitra ny M.D.M.K. malagasy eto Roma, no nitarika ny lamesa ny alahady 18 jiona 2023 teo ; notronin'ireo pretra niara-nisorona taminy : ry môpera Laurent, Narindra, Nicolas, Pascal. P. Laurent no nitondra fampianarana sy nivaofy ny Soratra Masina. Nampahafantarina ny mpiara-mivavaka tao ireo pretra zezoita 2 lahy tonga eto Roma , ao Bellarmino, hanohy fianarana : P. Nicolas sy P...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra indray ! Omena antsika àry ny fintim-baovao ny alahady 11 jiona 2023 teo sy izay tsara ho fantatra ato ho ato. Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia, izay niandraiketan-dry Maseran'ny Triniteran'i Roma manokana nampian'ireo relijiozy hafa tonga tao. P. Etienne lehiben'ny Fiombonana noho izany no nitarika ny Sorona...(tohiny)
I P. Jocelyn no nitarika ny sorona masina ny 4 jiona 2023, alahady nankalazantsika ny Trinite Masina. Niaraka nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera isany : Barnabé, Joslin ary Pascal. I Seba sy Francel no nanao ny raharahan'ny mpiservy . Ny Saint Augustin no nanentana ny litorjia ary i Frera Augustin no teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Isaorana ianareo ary ankasitrahantsika ihany koa...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra, Namangy ny Ankohonana Rasoamanarivo, araka ny efa nampitaina tamintsika teto, i môpera Fulgence Ratsimbazafy, Provensian'ny zezoita Faritr'i Madagasikara, môpera Jocelyn Rabeson, Provensialy vaovao vao voatendry ka handray raharaha amin'ny 31 jolay 2023. Môpera Fulgence no nitarika ny lamesa, notronin'ireo pretra tonga niara-nisorona taminy. Tao ry môpera isany :...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra indray ! Toy izao indray ny famintinana ny fankalazana ny 21 mai 2023 sy ny zavatra vitsivitsy tsara ho fantatra : Nankalaza tamin'ny fomba manetriketrika ny Fiakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra isika ny alahady 21 mai 2023 teo. Môpera Daudet no nitarika ny Sorona Masina, notronin-dry Môpera isany : Jocelin, Faly ary Pascal. Nanentana ny litorjia ny MDMK niaraka tamin'...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra ! Holazalazaina tsotsotra amintsika indray ny fizotran'ny Sorona Masina ny alahady 14 mai 2023 sy ny vaovao tsara ho fantatra. Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy Roma/italia ny fanentanana ny litorjia tamin'io alahady io. Môpera Etienne no nitarika ny lamesa, notronin'ireo pretra maromaro : Aina, Barnabé, Doris, Hasimanana, Joslin, Mamy, Pascal ary...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra indray ! Voalohany indrindra dia tsy hay ny tsy hamerimberina ny fisaorana antsika rehetra tamin'ny fiaraha-mientana tany amin'ny Fivahinianana masina izay nataontsika tany Lourdes. Mety ho samy nahatsapa reradreraka ny vatana taorian'iny Fivahinianana iny saingy inoana fa nahatsapa hery mampientanentana ny finoana ihany koa ny tsirairay. Isaorantsika an'...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra. Tontosa ny fivahiniana masina nataontsika tany Lourdes. Isaorantsika Andriamanitra noho izany fahasoavana manokana namantarantsika bebe kokoa an'i Masina Maria tsy azon-keloka izany ary niezahantsika nahalala an'i Jesoa tamin'ny alalan'ny Reniny. Fahasoavana izany ary hitondra hery ho antsika hatrany eo amin'ny fiainam-pinoana. Tsy ho voatantarako eto moa ny...(tohiny)
Misaotra an'i Môpera Narindra nitarika ny sorona masina androany 23 avrily 2023, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Joslin, Pascal ary ny diakra Simon. Isaorana toy izany koa ny ELVIR nanentana ny litorjia, niaraka tamin'ny mpitendry (P. Joslin). Ankasitrahana ireo nisahana fandraisana anjara manokana toy ny mpiservy (Seba), mpandravaka sy mpanomana ny hôtely, mpitaty rakitra, mpanomana ny "...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra indray amin'ny alalan'ity vaovaom-piangonana ity ary mankasitraka an'ireo pretra rahalahy nandray an-tanana ny asan'ny pretra teo anivon'ny Ankohonana Rasoamanarivo nandritra ny dian'ny aumônier tany Madagasikara. Misaotra an'i Môpera Faly isika nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. Pascal sy Diakra vaovao Simon izay nisantatra ny asa fanompoana tao San...(tohiny)
Eto am-panombohana dia ialako tsiny be ny fahataran'ny fandefasana amintsika ny fintim-baovaon'ny alahadin'ny Paka. Nampidera an'Andriamanitra ny fiaraha-mientan'ny rehetra nankalaza ny Paka 2023. Môpera Narindra no nitarika ny sorona masina niaraka tamin'ireo pretra maromaro nanotrona azy. Arahabaina manokana ireo pretra zezoita malagasy mianatra any Belgique sy France tonga niaraka nankalaza ny...(tohiny)
Isaorana i Môpera Romuald (Meme) nitarika ny sorona masina ny 2 avrily 2023, alahadin'ny sampankazo, notronin'ny pretra isany Faly sy Joslin. Misaotra ny vondrona Saint Augustin izay nanentana ny litorjia ; nampidera an'And/tra manokana ny dihy tamin'ny hira fisaorana. Ankasitrahina manokana koa ireo izay nandray anjara manokana toy ny mpiservy (Seba, Francel), ny mpitendry (P. Joslin), ny...(tohiny)
Nitarika ny sorona masina tamin'ny alahady 26 mars teo i P. Narindra, notronin-dry môpera isany Barnabé, Faly, Etienne, Joslin, Fidèle. Isaorana ianareo môpera. Isaorana ihany koa ny ekipan'ny ELVIR izay nanentana ny litorjia, eo ihany koa ireo izay nandray anjara manokana nandritra ny lamesa toy ny teo amin'ny lafiny teknika (Seba), ny mpitendry, ny mpitaty rakitra... Mampidera sy mampisaotra an...(tohiny)
P. Faly no nitarika ny sorona masina ny alahady 19 marsa teo, niaraka tamin'i P. Jocelin. Ny M.D.M.K. kosa no nanentana ny litorjia. Isaorana izy ireo ary ankasitrahina koa ireo nisahana fandraisana anjara manokana tamin'ny fiaraha-mivavaka, toy ny mpitendry, mpiservy, mpitaty rakitra, mpikarakara chocolat chaud taorian'ny lamesa...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka ary tsy hadino...(tohiny)
Tamin'ny alahady 12 marsa lasa teo dia nanao ny récollection fiomanana amin'ny Paka 2023 (karemy) ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma. Tao amin'ny Casa Generalizia della Società del Verbo Divino, Via dei Verbiti 1, 00154 Roma, no nanaovana izany. I Môpera Tojo no nitarika ny récollection ary i Môpera Mamy no nitarika ny sorona masina notronin'ireo pretra niara-nisorona taminy. Ny...(tohiny)
Môpera Rolin (diosezin'Antsiranana) no nitarika ny lamesa androany 5 marsa, alahady hafa-2 amin'ny Karemy. Niara-nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Erick (diosezin'i Fort-Dauphin), Jocelin, Faly ary Pascal. Ny vondrona Saint Augustin no nanentana ny litorjia ary i P. Jocelin no teo amin'ny zava-maneno. Francel ni- servy. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka. Hanao récollection any...(tohiny)
Isaorana i P. Barnabé nitarika ny sorona masina ny 26 febroary teo, alahady voalohany amin'ny karemy, niaraka tamin'i P. Jocelin sy P. Pascal. Isaorana ny ELVIR nanentana ny litorjia, P. Jocelin nitendry ary Sébastien teo amin'ny lafiny teknika sy niservy . Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka tamin'ny alalan'ny sorona masina. Amin'ny 5 marsa izao, alahady faharoa amin'ny karemy (taona A...(tohiny)