Mompera Faly no nitarika ny Sorona Masina ny alahady lasa teo, notronon'i P. Barnabé sy P. Jocelin ary i P. Nicolas. Alahady faharoa amin'ny karemy no nankalazaina . Misaotra ny ELVIR nanentana ny litorjia. Ankasitrahana i mompera Jocelin teo amin'ny fitendrena ny vatamaroafitsoka. Ankasitrahana isika rehetra tonga tamin'io Sorona Masina io. Anjaran'ny Ekipa Solida indray no hanentana ny litorjia...(tohiny)
Vaovaompiangonana
Miarahaba antsika rehetra, ndrindra am'izao fanombohan'ny karemy izao. Nankalaza ny androan'ny vokatra ny Ankohonana tamin'ny Alahady 11 fevroary. Natomboka tamin'ny sorona masina ny fotoana. Tany amin'ny Casa generalizia n-dry zareo SVD, via dei Verbiti 1 (zona Ostiensa). Môpera Pascal no nitarika ny sorona masina. Niaraka tamin'dry môpera isany : Taorian'ny sorona masina dia samy namonjy ny "...(tohiny)
Miarahaba antsika indray amin’ny alalan’ity fampitam-baovao ity. Ny “Ekipa solida” indray no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin’ny 4 febroary 2024 teo. I Hervé no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Ny litorjian’ny alahady faha-5 mandavantaona (B) no nankalazaina tamin’io alahady io saingy nasiana fanamasinana jiro teo am-panombohana noho isika tsy afaka nanao izany niaraka ny 2 febroary teo...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra indray ! Môpera Pascal no nitarika ny lamesa ny alahady 28 janoary 2024 teo, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Faly, Joslin. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i P. Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Isaorana isika tamin'ny fandraisantsika anjara isan-karazany tamin'ny fanatanterahana ny lamesa. Isaorana isika rehetra tonga niara-...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nankalaza ny Alahadin'ny Tenin'And/tra isika (alahady faha-3 mandavantaona B) ny 21 janoary 2024 teo. Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina, notronin-dry môpera Faly, Joslin ary Pascal. Amin'ny maha-Alahadin'ny Tenin'Andriamanitra azy dia nasiana fihetsika miavaka kely : nasiana fitondrana ny tenin'Andriamanitra mialoha ny Vakiteny. Taorian'ny evanjely dia nisy...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Tontosa soa aman-tsara ny lamesa niarahana tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny alahady 14 janoary teo (omaly), koa isaorana fa maro isika no nanotrona an'i Kardinaly tamin'iny sorona masina notarihiny tany amin'ny Paroasy San Gregorio Barbarigo (Laurentina) iny. Ny Paroasy moa no tompon'ny fandaharana mivantana, noho izany dia natao tamin'ny teny italianina ny...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra indray sady mamerina ny fiarahabana tratry ny taona ! Tsiahivintsika kely ny niatrehantsika ny fifampiaraban'ny Ankohonana tratry ny taona 2024 ny alahady 7 janoary teo alohan'ny hanomezantsika fintim-baovao tsara ho fantatra sy ho antitraterina. Isaorana tamin'ny fiombonantsika rehetra tamin'ny fanomanana sy fiatrehana ny fety. Ny sabotsy 6 janoary tolakandro dia...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra tratry ny noely 2023 ! Vory niara-nankalaza ny alahady faha-4 amin’ny Fiaviana (B) isika ny 24 desambra 2023 teo. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i môpera Joslin, izay sady teo amin’ny fitendrena zava-maneno. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Taorian’ny lamesa dia nisy fianarana sy famerenan-kira ho fankalazana ny noely 25 desambra...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Misaotra antsika rehetra tamin'ny fiarahana nivavaka ny 17 desambra 2023, tamin'ny alalan'ny sorona masin'ny alahady fahatelo amin'ny Fiaviana (B). Môpera Tsikivy Augustin (Spiritain) no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'dry môpera Joslin sy Pascal. Ankasitrahana ny "Fraternità" tamin'ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia, niaraka tamin'i Mr Sylvestre sy Max teo...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Andro niavaka ny alahady faharoa amin'ny Fiaviana ny 10 desambra 2023. Natokan'ny Ankohonana Rasoamanarivo nanaovana récollection mantsy ity andro ity. Natomboka tamin'ny fiaraha-mivavaka ny fotoana, avy eo niroso tamin'ny fampianarana sy fanentanana ho fiomanana amin'ny Noely nomen'i môpera Aimée. Nandritra ny sakafo nisy namana sasany nilazalaza fifampizarana kely...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra, Vita soa aman-tsara ny fanavaozana ny fanomezan-toky nataon'ireo MDMK nandritra ny sorona masina fankalazana manetriketrika an'i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka ny 8 desambra 2023. Môpera Faly, izay zoky am-panahin'izy ireo, no nitarika ny sorona masina, notronin-dry môpera Daudet, Joslin ary Pascal. Seba no teo amin'ny fandraharahana ny asan'ny...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Misaotra antsika tonga niara-nivavaka tamin'iny alahady voalohany amin'ny Fiaviana iny - 3 desambra 2023 - sady nanombohantsika ny taona litorjika vaovao (B). P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. Jean de Dieu (avy any R. Calabria fa nandalo teto Roma). P. Joslin no nitendry ny zavamaneno ; ny "Saint Augustin" no nanomana sy nanentana ny litorjia...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Ny alahady 26 nôvambra 2023 teo no nankalazantsika an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao sady alahady namarana ny taona litorjikan'ny Fiangonana ihany koa. P. Pascal no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'i P. Faly sy P. Joslin izay sady teo amin'ny fitendrena ny zava-maneno. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Taorian'ny lamesa dia nisy tsaingotsaingoka sy...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nankalaza ny alahady faha-33 mandavantaona (A) isika ny alahady 19 nôvambra 2023 teo. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina. Ny M.D.M.K. kosa no nanomana sy nanentana, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Taorian'ny lamesa dia nivory ireo M.D.M.K. nandinika zavatra samihafa. Isan'ny notapahin'izy ireo tamin'izany ny momba ny fankalazana...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nankalaza ny alahady faha-32 mandavantaona (A) isika ny 12 nôvambra 2023 teo. I môpera Aimé (diosezy Miarinarivo) no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'ireo pretra maromaro (P.P. Etienne, Andry, Mamy, Tojo, Joslin, Pascal). Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy - nisolo tena azy ireo mivantana ny Maseran'i Md Joany Batista sy ny Pretra dehônianina - no nanomana sy...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nandeha tany Orte ny Ankohonana Rasoamanarivo tamin'ny alahady 5 nôvambra 2023 teo nivoaka sady namonjy ny batemin-janak'i Mr Rado sy Mme Caroline. Nifarimbonana ny litorjia ary Mr Hervé no nitendry. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i Don Maslov izay pretran'ny paroasy nandray tao an-toerana. Tamin'ny 11 ora ny lamesa-batemy tao amin'ny paroasy "...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Alarobia ny 01 nôvambra teo, saingy fankalazana manetriketrika ny Olomasina rehetra. Nisy lamesa noho izany teny amin'ny fiangonantsika San Macuto (Bellarmino). P. Pascal no nitarika, niaraka tamin'i P. Joslin. Francel no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Niarahana ny litorjia. Misaotra antsika rehetra. Taorian'ny lamesa, ho an'izay afaka, dia nisy famangiana ny...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra indray ! Nitarika ny sorona masina ny alahady 29 ôktôbra 2023 i môpera Pascal, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Faly ary Joslin. Niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy i Francel. Ny vondrona "Fraternità" no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i Mr Sylvestre teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Isaorana isika tamin'ny fiaraha-mientana sy fiaraha-...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra, Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina ny alahady farany teo, 22 ôktôbra 2023, niaraka tamin'dry môpera isany Nicolas, Joslin ary Pascal. Nanomana sy nanentana ny litorjia ny ELVIR, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena ny zava-maneno. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka sy nifampitondra am-bavaka. Tontosa tamin'io andro alahady 22...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Somary sarotsarotra ny nidirana teto Roma-centro ny alahady maraina 15 ôktôbra teo noho ny fisian'ny marathon. Ho an'izay nitondra fiara hande hamonjy lamesa dia nisedra olana, nisy mihitsy aza niverin-dalana nody. Afaka niaraka tao amin'ny sorona masina ihany anefa isika na dia somary taratara aza ny fanombohany. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin...(tohiny)