Miarahaba antsika rehetra ! Nandeha tany Orte ny Ankohonana Rasoamanarivo tamin'ny alahady 5 nôvambra 2023 teo nivoaka sady namonjy ny batemin-janak'i Mr Rado sy Mme Caroline. Nifarimbonana ny litorjia ary Mr Hervé no nitendry. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i Don Maslov izay pretran'ny paroasy nandray tao an-toerana. Tamin'ny 11 ora ny lamesa-batemy tao amin'ny paroasy "...(tohiny)
Vaovaompiangonana
Miarahaba antsika rehetra ! Alarobia ny 01 nôvambra teo, saingy fankalazana manetriketrika ny Olomasina rehetra. Nisy lamesa noho izany teny amin'ny fiangonantsika San Macuto (Bellarmino). P. Pascal no nitarika, niaraka tamin'i P. Joslin. Francel no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Niarahana ny litorjia. Misaotra antsika rehetra. Taorian'ny lamesa, ho an'izay afaka, dia nisy famangiana ny...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra indray ! Nitarika ny sorona masina ny alahady 29 ôktôbra 2023 i môpera Pascal, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Faly ary Joslin. Niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy i Francel. Ny vondrona "Fraternità" no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i Mr Sylvestre teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Isaorana isika tamin'ny fiaraha-mientana sy fiaraha-...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra, Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina ny alahady farany teo, 22 ôktôbra 2023, niaraka tamin'dry môpera isany Nicolas, Joslin ary Pascal. Nanomana sy nanentana ny litorjia ny ELVIR, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena ny zava-maneno. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka sy nifampitondra am-bavaka. Tontosa tamin'io andro alahady 22...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Somary sarotsarotra ny nidirana teto Roma-centro ny alahady maraina 15 ôktôbra teo noho ny fisian'ny marathon. Ho an'izay nitondra fiara hande hamonjy lamesa dia nisedra olana, nisy mihitsy aza niverin-dalana nody. Afaka niaraka tao amin'ny sorona masina ihany anefa isika na dia somary taratara aza ny fanombohany. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nankalaza ny fetin'ny Ankohonana Rasoamanarivo isika ny alahady 8 ôktôbra 2023 teo. Nitarika ny sorona masina tamin'io andro io i Mgr Donatien, evekan'Ambanja ; Mgr Jean Pascal, evekan'Antsirabe, no nitondra ny fampianarana tamin'ny alalan'ny toriteny. Eo am-piatrehana ny sinôda ity farany ka afaka nifampizara tamintsika ny mombamomba ny sinôdan'ny Fiangonana izay...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Niombona tamin'ny "Zanaky ny diosezin'Ambanja" isika ny alahady 1 ôktôbra 2023 teo tany amin'ny Parrocchia Nostra Signora de la Salette (Piazza Madonna de la Salette 1, 00152 Roma). Mgr Donatien, evekan'Ambanja, no nitarika ny sorona masina, notronin'ireo pretra sy diakra. Ny Zanaky ny diosezin'Ambanja no nanomana ny fihaonana ary izy ireo ihany koa no nanentana ny...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra, Môpera Félix no nitarika ny lamesa ny alahady 24 septambra 2023 teo, niaraka tamin'dry Môpera isany : Faly, Pierrot, Robert Mamisoa, Pascal. Seba no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Isaorana isika rehetra ary tsy hadino koa ireo nisahana raharaha hafa manokana toy ny fitatazana rakitra, fandravahana ôtely. Isaorana...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Fintinina amintsika indray ny fizotran'ny alahady 17 septambra 2023 teo sy izay tsara ho fantatra ato ho ato . P. Pascal no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'i P. Sitraka, P. Joslin ary Diakra Olivier. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'ny mpitendry P. Joslin. Seba no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Isaorana isika ary tsy hadino...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Fintinina amintsika ny fizotran'ny alahady 10 septambra 2023 teo. Môpera Etienne no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry Môpera isany : Joslin, Désiré ary Pascal. Seba sy Francel no teo amin'ny fandraharahan'ny mpiserivy. Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanentana ny litorjia. Tolorana fisaorana isika ary mankasitraka ihany koa an'ireo izay niandraikitra...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Natomboka ny alahady 3 septambra 2023 teo ny taom-pikatrohana pastoraly 2023-2024. Niaraka tamin'i Mgr Gabriel (Tsiroanomandidy) sy Mgr Donatien (Ambanja) isika, izay tonga hiatrika fiofanana eto Roma mandritra ny roa herinandro. Mgr Gabriel no nitarika ny sorona masina ary i Mgr Donatien no nitondra ny fampianarana tamin'ny alalan'ny toriteny. Misaotra betsaka azy...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nofaranana ny alahady 30 jolay 2023 teo ny taona pastoraly 2022-2023. Tany amin'ny Maseran'ny "Battistine" no toerana nanaovana ny lamesa sy ny fiaraha-misakafo. Nitarika ny Sorona Masina tamin'izany i P. Pascal, niaraka tamin'i P. Désiré. Ankasitrahana ireo rehetra niandraikitra raharaha manokana nandritra ny Sorona masina : tao ny mpiservy (Seba) sy ny mpikirakira ny...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nitarika ny lamesa tamin'ny alahady teo, 23 jolay 2023, i P. Narindra, niaraka tamin'i PP. Faly, Désiré ary Pascal. Ny ELVIR no nanentana ny litorjia. Misaotra antsika ary mankasitraka ihany koa an'ireo nandray anjara manokana tamin'ny fanatanterahana ny sorona masina, toy ny mpitendry, mpandravaka sy mpanomana hôtely, mpiservy, mpitaty rakitra...sns. Isaorana isika...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra ! Atolotra antsika indray ary ny fintinam-baovao sy izay tsara ho fantatra nampitaina tany am-piangonana ny alahady lasa teo, 16 jolay 2023. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Hugues sy Barnabé. Ny M.D.M.K. kosa no nanentana ny litorjia ary F. Augustin no nitendry ny zavamaneno. I Francel nanao ny raharahan'ny mpiservy. Isaorana isika...(tohiny)
Môpera Narindra no nitarika ny lamesa tamin'ny 09 jolay 2023, niaraka nanolotra no sorona masina taminy ry môpera Barnabé sy Pascal. Nanatanteraka ny raharahan'ny mpiservy i Francel. Anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy ny fanentanana ny litorjia ka ny Maseran'ny Ragusa no nanatanteraka izany. Misaotra antsika rehetra ary ankasitrahana koa ireo nikarakara sy nanomana ny ôtely, nitaty...(tohiny)
P. Pascal no nitarika ny lamesa ary niaraka nanolotra ny sorona masina taminy koa ry môpera Narindra sy Etienne. F. Simon no nanao ny raharahan'ny diakra. Ny vondrona Saint Augustin no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i P. Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. I Seba sy Francel no nanatanteraka ny raharahan'ny mpiservy. Isaorana daholo isika ary ankasitrahana ihany koa ireo...(tohiny)
P. Narindra no nitarika ny lamesa ny alahady 25 jiona 2023. Niara-nanolotra ny Sorona masina taminy kosa ry môpera isany : Joslin, Tojo, Frésie ary Pascal. Ny ELVIR no nanentana ny litorjia, P. Joslin no nitendry ny zavamaneno. Isaorana isika ary ankasitrahantsika manokana ihany koa ny mpiservy, ny nitaty rakitra, ny nanadravaka ny fiangonana sy ny ôtely...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-...(tohiny)
P. Faly, mpiandraikitra ny M.D.M.K. malagasy eto Roma, no nitarika ny lamesa ny alahady 18 jiona 2023 teo ; notronin'ireo pretra niara-nisorona taminy : ry môpera Laurent, Narindra, Nicolas, Pascal. P. Laurent no nitondra fampianarana sy nivaofy ny Soratra Masina. Nampahafantarina ny mpiara-mivavaka tao ireo pretra zezoita 2 lahy tonga eto Roma , ao Bellarmino, hanohy fianarana : P. Nicolas sy P...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra indray ! Omena antsika àry ny fintim-baovao ny alahady 11 jiona 2023 teo sy izay tsara ho fantatra ato ho ato. Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia, izay niandraiketan-dry Maseran'ny Triniteran'i Roma manokana nampian'ireo relijiozy hafa tonga tao. P. Etienne lehiben'ny Fiombonana noho izany no nitarika ny Sorona...(tohiny)
I P. Jocelyn no nitarika ny sorona masina ny 4 jiona 2023, alahady nankalazantsika ny Trinite Masina. Niaraka nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera isany : Barnabé, Joslin ary Pascal. I Seba sy Francel no nanao ny raharahan'ny mpiservy . Ny Saint Augustin no nanentana ny litorjia ary i Frera Augustin no teo amin'ny fitendrena zava-maneno. Isaorana ianareo ary ankasitrahantsika ihany koa...(tohiny)