Vaovaompiangonana

Nitarika ny sorona masina tamin'ny alahady 26 mars teo i P. Narindra, notronin-dry môpera isany Barnabé, Faly, Etienne, Joslin, Fidèle. Isaorana ianareo môpera. Isaorana ihany koa ny ekipan'ny ELVIR izay nanentana ny litorjia, eo ihany koa ireo izay nandray anjara manokana nandritra ny lamesa toy ny teo amin'ny lafiny teknika (Seba), ny mpitendry, ny mpitaty rakitra... Mampidera sy mampisaotra an...(tohiny)
P. Faly no nitarika ny sorona masina ny alahady 19 marsa teo, niaraka tamin'i P. Jocelin. Ny M.D.M.K. kosa no nanentana ny litorjia. Isaorana izy ireo ary ankasitrahina koa ireo nisahana fandraisana anjara manokana tamin'ny fiaraha-mivavaka, toy ny mpitendry, mpiservy, mpitaty rakitra, mpikarakara chocolat chaud taorian'ny lamesa...sns. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka ary tsy hadino...(tohiny)
Tamin'ny alahady 12 marsa lasa teo dia nanao ny récollection fiomanana amin'ny Paka 2023 (karemy) ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma. Tao amin'ny Casa Generalizia della Società del Verbo Divino, Via dei Verbiti 1, 00154 Roma, no nanaovana izany. I Môpera Tojo no nitarika ny récollection ary i Môpera Mamy no nitarika ny sorona masina notronin'ireo pretra niara-nisorona taminy. Ny...(tohiny)
Môpera Rolin (diosezin'Antsiranana) no nitarika ny lamesa androany 5 marsa, alahady hafa-2 amin'ny Karemy. Niara-nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Erick (diosezin'i Fort-Dauphin), Jocelin, Faly ary Pascal. Ny vondrona Saint Augustin no nanentana ny litorjia ary i P. Jocelin no teo amin'ny zava-maneno. Francel ni- servy. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka. Hanao récollection any...(tohiny)
Isaorana i P. Barnabé nitarika ny sorona masina ny 26 febroary teo, alahady voalohany amin'ny karemy, niaraka tamin'i P. Jocelin sy P. Pascal. Isaorana ny ELVIR nanentana ny litorjia, P. Jocelin nitendry ary Sébastien teo amin'ny lafiny teknika sy niservy . Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka tamin'ny alalan'ny sorona masina. Amin'ny 5 marsa izao, alahady faharoa amin'ny karemy (taona A...(tohiny)