Fiarahana mivavaka sy misakafo amin'ny eveka

 

Noho ny antony tsy miankina aminay, dia ialanay tsiny etoana fa voatery nafindra sy nakisaka ho ny alahady 18 oktobra 2009 ny fiarahantsika mivavaka arahin'ny sakafo, iarahantsika amin'ireo eveka ray aman-dreny miatrika ny Sinoda eto Roma ankehitriny (Izy fito mianaka: Ny Kardinaly Razafindratandra, ireo arseveka roa, Mgr Odon Razanakoloa avy ao Tanà sy Mgr Fulgence rabemahafaly avy ao Fianara, ny evekan'Ihosy, Mgr Philippe Ranaivomanana, sy Faradofay; Mgr Vincent Rakotozafy ary Toamasina, Mgr Desiré Tsarahazana, miampy an'Atoa Raymond Ranjeva avy ao amin'ny Justice et Paix, Città del Vaticano).

Ny toerana dia  eny amin'ny Bazilikan'i Md Giovanni Bosco, Viale San giovanni Bosco, n. 07 (00175 Roma).
Raha mandray ny Metro A dia miala eo amin'ny fermata Giulia Agricola. Tsy lavitra ny Via Tuscolana, ny Piazza San Giovanni Bosco no manoloana ily Bazilika lehibesaingy ery alohaloha no misy ny toerana hivavahantsika; toerana efa hain'ny maro ihany io.

Ora fahatongavana: 9h30; fa amin'ny 10 ora tsy diso kosa ny fanombohan'ny Sororna Masina lehibe ho fisaorana ny Tompo noho ny amin'i Fr Rafiringa Olontsambatra. SAMIA MITONDRA SAKAFO (ARAKA NY MAHAZATRA: ianareo Pretra sy Frera no mitondra ireo desera sy ny fisotro.

 

Rabenirina Joseph, pretra