Festa dei Popoli 2010.

 

Tonga amin'ny andiany faha-19 izao ny "Festa dei Popoli" izay nomena ny lohahevitra hoe "Roma, una tenda per l'incontro". Efa efa-taona izao no nandraisan'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo anjara tamin'izany, nisolo tena an'i Madagasikara iray manontolo.

Dia eo ambany alokaloky ny bazilika San Giovanni in Laterano indray izany isika mianakavy ny alahady 16 mey 2010 izao no hifamotoana amin'ireo vahoaka marobe avy amin'ny vazan-tany efatra hankalaza ity andiany 2010 ity.

Toa izao ny fandaharam- potoana :

- Sivy  ora (09h) ny fanokafana: toy ny fitsidihana ny stand, ny kilalao maro isan-karazany sy ny fifanakalozan-kevitra isan-karazany.
- Amin'ny roa ambin'ny folo ora (12h) ny fanombohan'ny lamesa ao @ Basilika S. Giovanni in Laterano, ka iangaviana isika mba ho tonga antsasak'adiny mialoha.
- Amin'ny iray ora (13h), fanandramana ireo karazan-tsakafo nentin-drazan'ny firenena izay mandray anjara @'izany.
- Amin'ny telo ora (15h), manomboka ny fampisehoana ireo vakoka izay maha-izy ny firenena tsirairay avy.
- Amin'ny enina hariva (18h) fisarihana ny loteria miaraka.

Ny fandaharana handraisan-tsika anjara dia:

- Ny stand, i Mr Rado no tompon'andraikitra
- Hira "Fiadanana" mandritry ny lamesa, i P.Nicolas no tompon'andraikitra
- Dihy malagasy ny hariva izay hiandraiketan'i Mr. Deszo

Tongava maro ary mifampilazà e.