Fisaorana

 

 

Ho aminareo lalandava anie ny famonjena amam-piadanan'ny Tompo!

Eram-pò sy eran-tsaina no isaoran'ny Ankohonana Katolika B. Victoire Rasoamanarivo - eto Roma, Italia - anareo rehetra (tera-tany sy vahiny), izay tonga marobe nanamasaka ny fety nataony omaly alahady 24 oktobra 2010.
Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany dia homba anareo lalandava.

Isaorana manokana etoana ireo nikarakara rehetra sy nanomana ny toerana, ny fitaovana tany an-dakozia sy ny teny ambony sehatra, ny fanitaram-peo, ny lafiny tekinika, ny mpiantsena sy mpahandro, ny mpihira, ny mpandroso sakafo, ny mpandihy, ny mpanadio ary ireo kilonga madinika sy ireo tanora tsy anavahana, ny zatovo adolantsento rehetra sy ianareo olobe ray aman-dreny rehetra.
Isaorana tanteraka koa ry Masera nampindrana ny lasapely sy ny trano ary ny rehetra momba izany.

Iny moa no vita sy tratry ny herintsika, ka dia ialana tsiny raha nisy ny lesoka,  fa ireny no atao hoe: "Santatra am-bavarano, fa dia ny manetsa be mbola ho avy".
Lehibe ny ezaka mitohy efa ataontiska, dia ny mamondrona  hatrany ny hery eo anivon'ny FFKM : ifarimbonan'ny FFPM sy ny ECAR ary ny EEM.
Azo lazaina fa mety mahavita zavatra goavana tsy ho ela isika Malagasy eto  Roma sy Italia raha mitohy ny traikefa vokatry ny andrana toy ireny.

Mamporisika sady manantitra ny fisaorana anareo koa ny  tenanay.
Manolotra vavaka, fitalahoana ho anareo sy ny  olo- maminareo rehetra ihany koa ny tenanay.

P. Rabenirina Joseph

 

[Ny sary rehetra dia azo jerena ao amin'ny "Tahirintsarin'ny Malagasy eto Italia"]