Fetin'ny ankohonana 25 oktobra 2015

 

Faly miarahaba antsika rehetra havana indray.

 
Indro alefa aminareo ny fanasana ho an'ny fetin'ny ankohonantsika amin'ny alahady 25 oktobra 2015 ho avy izao, araka ny efa voalaza tany am-piangonana tamin'ny alahady lasa teo. Ialàna tsiny ny fahataran'ny filazana an-tsoratra eto e !

Aza hadino, toy ny mahazatra ny mampita avy hatrany ny hafatra rehefa avy mamaky azy. Hararaoty ny fahakingan'ny fitaovana efa misy sy ampiasaintsika isan'andro.