Fiombonam-bavaka tamin'i Hervé Donatien izay namoy ny rainy.

 

Ny alahady 7 janoary, nankalazana ny Epifania, Fisehoan’ny Tompo amin’ny firenen-drehetra, no niarahana nanolotra ihany koa ny Sorona Masina ho fialan-tsasatry ny fanahin’i Tompokolahy Rataminjanahary Edmond, rain’i Hervé Donatien.

Isaorana antsika tonga marobe ary tsy katolika ihany, nanotrona azy fa hita tokoa ny fiombonam-po amam-panahy amintsika amin’ny maha-malagasy iray tanindrazana, sy ny fahaizantsika mihavana amin’ny hafa firenena. Ireny no ahitana ny mbola mampiavaka antsika malagasy ka ankatelemana antsika rehetra tsy ankanavaka sy ireo tsy afaka noho ny antony maro samihafa.

 

P. Athanase, aumônier.

 

Fisaorana avy tamin'izy mivady : Fisaoran'i Hervé sy Sabina
Noraiketina ato amin'ny TAHIRINTSARY iny fotoana iny