Fiaraha-nisakafo tamin'ireo eveka nandalo teto Roma.

 

Nifanindry tamin'iny rodobe nifampiarahabana taom-baovao tany Naples iny moa ny fotoana nahafahan'ireo eveka niaraka niombom-bavaka tamin'ny Ankohonana ka dia voatery nizara roa isika.

Nahafinaritra fa tsy haolo irery teto Roma izy ireo fa izay niambin-tanàna dia nanefa ny adidy toy  ny fanaontsika hatramizay. Natomboka tamin'ny Sorona Masina ny fotoana, narahana fiaraha-misakafo izay nararaotina nitafatafana tamin'izy ireo momba ny any an-tanindrazana.

Isaorana betsaka ireo relijiozy sy lahika tonga maro. Isaorana indrindra koa i Sr Herizo, sdv, izay nizara ny sary sy horonantsary nandrakitra izany fiarahana mamy izany.

 

Ny sary sasany dia efa milahatra ATO amin'ny TAHIRINTSARY.