Nihaona manokana tamin'ny Ray Masina ireo evekantsika.

Tamin'ny zoma 2 febroary 2018 no nihaona manokana tamin'i Papa François ireo evekantsika 3 mirahalahy :

- Mgr. Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina, Filohan'ny Fiombonamben'ny Eveka any Madagasikara, 
- Mgr. Marie Fabien Raharilamboniaina, O.C.D, evekan'i Morondava, Filoha Lefitra 
- Mgr. Jean Claude Randrianarisoa, evekan'i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly
- P. Gabriel Randrianantenaina, Sekretera lefitra.

Tsy mbola nisy valandresaka momba izany fihaonana izany aloha raha tsy tafody any an-tanindrazana izy ireo kanefa azo onona fa isan'ny nangatahan'izy ireo tamin'ny Ray Masina ny hitondrany am-bavaka ny tanindrazantsika taorian'ny rivodoza Ava izay nandrava indrindra indrindra ny morontsiraka atsinanan'ny Nosy iny.

Ka dia naneho am-pahibemaso ny fiombonany amin'i Madagasikara i Papa François tamin'ny "Angelus" androany alahady 4 janoary 2018.