Fanamasinana ho Diakra an'i Frera Simon, zezoita

An-kafaliana no anasan'i Frera Simon Rabemaharavo antsika rehetra mba ho tonga ary hiombom-bavaka aminy amin'ny fanamasinana azy ho diakra ny talata 11 aprily 2023 amin'ny 4 ora tolakandro. Ny toerana dia ao amin'ny Chiesa del Gesù eto Roma. Zezoita 20 mirahalahy avy amin'ny firenena samihafa izy ireo no hiaraka hohamasinina diakra, ka iray amin'ireo i Frera Simon avy any Madagasikara.