Taom-baovao 2023 an'ny Ankohonana V. Rasoamanarivo miaraka amin'ny aumônier vaovao

 

 

Ela nanomanana ka masaka ny nahandro. Ho soa sy ho tsara anie ity taona diavintsika ity !

Fararanon-danonana ho an'ny mpianakavy androany 22 janoary 2023. Natomboka tamin'ny Sorona Masina ny fotoana satria ilay Nahary no tompon'ny zava-drehetra.

Avy eo dia notohizana tao amin'ny efitrano lehibe niarahana nikoranana ny filazana ny vaovao samihafa izay tsy vita tao am-piangonana, mandra-piandry ny kitonotono hena.

Nozaraina ny fikarakarana ka tao ireo nandrindra sy nanatsara ny fahatontosan'ny Sorona Masina, tao ireo nandray vahiny, nisy ireo nandamina sy nandravaka ny toerana nihinanana, nisy ireo niantoka tanteraka ny fahamasahan'ny vary, ary tao ireo nitono hena sy nahandro ary nanafàna ny laoka sasany. Samy nivimbina hena matavy sy tsakitsaky ny tsirairay avy ka saika betsaka indray aza ny laoka raha oharina tamin'ny mpihinana. Ny vary sy ny zava-pisotro sasantsasany moa dia efa nomanin'ny fiangonana ka dia afa-po daholo ny rehetra. Nisy ny mofo mamy amin'ny maha-vaovao ny taona ka mba ho mamy toy izany hatrany ny fiarahana e.

Dihy , korana, horakoraka, tsikitsiky, izay no nandravaka ity andro anio ity. Rehefa vita ny lanonana dia mbola niara-nientana ny mpianakavy tamin'ny fanadiovana ny toerana, ka na dia efa maizimaizina ihany aza vao tafasaraka tao dia samy namonjy ny tokantranony tamin-kafaliana ny rehetra.

Henin-kaja sy henim-boninahitra ny Ankohonantsika ka tsy hain'ny aumônier sy ireo mpiara-miasa aminy ny tsy hanolotra fisaorana feno ho antsika tsirairay. Mankasitraka e.