Alahady sady andro voalohany amin'ny taona 2023

 

 

 

Arahabaina tratry ny taona daholo ô,

nahafinaritra ny fankalazana ity andro voalohan'ny taona ity izay nitontona andro alahady mihitsy. Pretra dimy be izao no niara-nanolotra ny Sorona Masina nanombohana ny taona 2023 tao amin'ny Ankohonana na dia vitsy dia vitsy aza isika no tonga satria mbola reraky ny totorebika ny alin'ny Md Sylvestre. Tsy nanakana ny hafanan'ny fankalazana ity andro voalohan'ny taona ity izany.

Nisy koa ny fiaraha-miala hetaheta mahazatra taorian'ny lamesa  izay tena nahafapo tokoa satria toa samy nanaram-po nitafatafa sy nanao ady hevitra ny mpianakavy ka elaela vao tafasaraka izay tonga tao.

Dia mirary soa ho antsika rehetra etý am-panombohana ny taona 2023 !