'Récollection' hiomanana amin'ny Paka nentanin'ny relijiozy

Vita soa aman-tsara ny récollection nataontsika androany teny amin'ny Casa Generalizia della Società del Verbo Divino tetsy Ostiense. Tonga maro isika ary samy afa-po tamin'ny famelaberalaran-kevitra notarihin'i mompera Tojo (diosezin'ny Miarinarivo), afa-po tamin'ny toritenin'i  mompera Mamy, afa-po koa tamin'ny sakafom-batana nifampizarantsika ary nanaovana veloma an'i Sr Celine.

Alahady nitondrana am-bavaka ihany koa ireo marary rehetra sy ny mpitsabo azy ireny ity androany ity.