Alahady fahaefatra amin'ny Karemy, nentanin'ny MDMK

Dimanche de Laetare, alahady firavoravoana tokoa no niainan'ny ankohonana Victoire Rasoamanarivo ny alahady 19 martsa. Sady alahady nitondrana am-bavaka ny Raim-pianakaviana rehetra na ireo efa lasa any ankoatra na ireo mbola velon'aina miara-miriaria amin'ny ankohonany. Mompera Faly no nitarika ny Sorona Masina ary ny MDMK no nanentana.