Alahady faharoa amin'ny Paka nentanin'ny MDMK

 

Mompera Faly no nitarika ny Sorona Masina, notrononin'i aumônier izay tafaverina soa aman-tsara eto Roma, avy namita adidy vetivety tany an-tanindrazana sy i frera Simon izay vao nohamasinina ho diakra tamin'ny herinandro iny. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia. i Frera Désiré, monfortain koa dia nitondra  hatrany ny fampianarana fanaony eny am-panombohana ny fotoana.

Nisy ny fiarahana miala hetaheta taorian'ny Sorona Masina.