Diarin'ny Fivahiniana Masina tany Lourdes - Tapany voalohany

 

Tanteraka soa aman-tsara ny fikasan'ny Ankohonana hanao Fivahiniana Masina any Lourdes. 
Ho raiketintsika an-tsary eto hatrany ny momba izany, manomboka ny zoma 28 aprily tolakandro niaingana tetsy Piazzale Partigiani ka hatramin'ny fiverenana eto Roma.
Isaorana Andriamanitra Lehibe amin'ny fitahiaNy ary apetraka amiNy hatrany ity dia ity.
Isaorana ihany koa i aumônier sy ny komity tamin'ny fikarakarana rehetra ka nahatomombana ny rehetra.
Mifampivavaka isika, na ireo handeha lavitra na ireo mijanona eto an-tanàna. 

*************************

- Ny zoma 28 aprily tolakandro no niainga teo amin'ny Piazzale Ostiense ny fiarabe nitondra ny Ankohonana. 
- Nijanona kely nisakafo teny amin'ny Area Servizio ny takarivan'iny mialoha ny nanohizana ny dia.

- Nisosa tsara ny alina ka tonga soa tany Frantsa ny sabotsy 29 aprily maraina. Nanohana aina tamin'ny sakafo maraina maivamaivana, ora vitsivitsy tsy hahatongavana any Lourdes. Somary manjombona ny andro fa ny fo mafanan'ny hafaliana sy ny fiandrandrana sahady ny Fahasoavana horaisina any an-toerana.
- Tonga tany Lourdes teo amin'ny mitataovovonana teo. Namonjy ny toerana hivantanana dia lasa namonjy ny sakafo antoandro.
- Tanatin'ny ora-mikija no nanaovana ny "dia vavaka" (procession) ny alin'ny sabotsy saingy tsy nahasakana ny mpivahiny izany fa notontosaina tanatin'ny Finoana.

- Ny marainan'ny alahady 30 aprily dia nisy ny Sorona Masina nisaorana an'Andriamanitra izay natao tao amin'ny lasapely "Maximin Kolbe". Niara-nanolotra izany taminay ireo mpivahiny avy ao France tafahaona tamin'ny Ankohonana ny sabotsy, teo am-piandrasana ny hidirana anatin'ilay "dobo fisasana" araka ny nangatahan'i Masina Maria rehefa mandalo ao Lourdes. Tanatin'ny hafaliana tokoa no niainana ity fihaonana sy fiombonana tao Lourdes ity  
- Nentina am-bavaka tokoa isika rehetra tsy afaka nandeha noho ny antony samihafa, indrindra nandritra ny fandrehetana ny Jiron'ireo rehetra izay nampanantenaina vavaka.
- Taorian'ny sakafo antoandro dia nanomankomana ny fodiana, nikarakara ny tohan'aina hohanina eny an-dàlana ny alahady hariva ary dia nandray ny fiarabe. 

- Voninahitra  ho an'Andriamanitra fa tafody soa aman-tsara eto Roma ny ankononana ny alatsinainy 1 mey tolakandro na nisy aza ny olana kely nosedraina teny an-dalàna. Fitsapana daholo ireny ary nanamafy orina ny fiarahamonintsika.

Mankasitraka, mankatelina tamin'izay fifampizarana fahasoavana izay.