Fihaonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy tany Nettuno

Nihaona tany Nettuno, tao amin'ny Parrocchia Santa Barbara, ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy aty Italie tamin'ny alahady 7 mai 2023. Ny tapa-kandro maraina dia nanavaozan'izy ireo ny birao mpitantana ny Fiombonana sy nisaorana an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny sorona masina. Notohizana tamin'ny fiaraha-misakafo kosa izany avy eo, ary dia nofaranana tamin'ny fifampizarana, resadresaka, fialam-boly. Ny komity teo aloha moa dia mbola manohy ny asa aloha hampiditra tsikelikely ireo vaovao.

    Ireto ambony ny komity tranainy sy ny vaovao. Isaorana PP. Rolin sy Mamy, izay hita eto amin'ny sary, mbola manohy mampiditra tsikelikely ny ekipa vaovao. Isaorana toy izany koa i Sr Céline sy Frère Sylvain izay ao anatin'ny ekipa taloha na dia tsy eto Italie aza amin'izao fotoana izao.

 

Ireto ambany indray ny ekipa vaovao voafidy tamin'ny 07/05/2023 teo :

P. Randrianandrasana Etienne (Déhonien)

P. Rakotonirina Arinanja Jean Théo (Salésien de Don Bosco)

Sr Bodonirina Manitra Marie Sandrine ( Filles de Saint Paul)

Sr Rasoanantenaina Marie Olivia Herizo ( Vocationiste)

Sr Tombo Luziana (Battistine)

Sr Ramanatahiana Hery Lanto (Battistine)

 

Mirary soa sahady ho anareo ekipa vaovao sady mankasitraka ihany koa anareo ekipa taloha (sy mbola am-perin'asa).

Mirary soa