Alahady 14 mey, alahady fahaenina amin'ny Paka nentanin'ny relijiozy

 

I mompera Etienne, izay vao voafidy tamin'ny alahady lasa teo ho filohan'ny Fiombonanan'ny pretra sy ny relijiozy, no nitarika ny Sorona Masina notronin'ireo rahalahiny vitsivitsy, ary ny pretra sy relijiozy kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Taorian'izany no nanolorana tamin'ny fomba ofisialy ny komity vaovao hiantsoroka sy hiadidy ny vondron'izy ireo manomboka izao indray.