Lamesa tarihin'ny Provensialin'ny Zezoita (Mada) amin'ny 28 mai 2023 ao San Macuto

Tonga manao famangiana aty Italie i Môpera Fulgence Ratsimbazafy, Provensialin'ny zezoita faritr'i Madagasikara. Efa eto Italie izy amin'izao fotoana izao fa amin'ny 24 mai kosa izy no ho tonga eto Roma hanomboka ny famangiana sy fihaonana isan-karazany.

Aorian'ny fihaonana atrehiny any Loyola Espagne dia ho tonga eto Roma koa i Môpera Jocelyn Rabeson amin'io daty 24 mai 2023 io. i P. Jocelyn ndray dia vao voatendry ho Provensialin'ny zezoita faritr'i Madagasikara, hisolo an'i P. Fulgence Ratsimbazafy. Handray raharaha izy ato ho ato.

Nanasa azy mirahalahy ireo ao amin'ny lamesa San Macuto ny Ankohonana Rasoamanarivo amin'ny alahady 28 mai 2023 izao, ka i Môpera Fulgence Ratsimbazafy no hitarika ny lamesa amin'io andro io.

P. Pascal sj