Alahady 1 febroary, alahady faha-4 mandavantaona nentanin'ny MDMK

I mgr Marcellin, evekan'i Farafangana no nitarika ny Sorona Masina, notronin-dr'i mompera Fulgence, Faly, Toky, Eugène, Gabriel, Joslin (sady nitendry ny vatamaroafitsoka) ary i aumônier. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Tamin'io ihany koa no nandraisan-drizareo ny mpikambana vaovao ao aminy, no sady nanaovan'izy ireo ny Famehezantenany.