Alahady 30 jolay, famaranana ny taona pastoraly 2022/2023 nentanin'ny Fraternità Malgascia

 

Ny fikambanan-dr'i masera Battistini no nampiantrano ny Ankohonana androany eto am-pamaranana ny taona pastoraly 2022/2023 ka isaorana azy ireo izany.

I aumônier no nanolotra ny Sorona Masina niaraka tamin'i mompera Désiré. Ny Fikambanana Fraternità Malgascia kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Rehefa vita ny fizarana ny vatsim-panahy dia niara-nizara ny manta sy ny masaka sy nikorana teo an-jaridaina ny Ankohonana. Amin'ny volana septambra indray izany isika mihaona eny amin'ny San Macuto toy  ny mahazatra. Mirary fialan-tsasatra mahafinaritra ho an'ny rehetra.