Fankalazana tany Caserta ny faha-25 taona naha-relijiozy an'i masera Marie Fabrice

 

Nahafinaritra fa feno fifaliana sy namelombelona fanahy ny nankalazan'i masera Marie Fabrice Razanamino ny jobily volafotsin'ny fiainan-drelijioziny, izay natao tany Gioia Sannitica (CE) omaly alahady 1 oktobra 2023 teo.

Mankasitraka ireo kristianina ao amin'ny paroasin'i San Felice, ireo pretra misahana ny diosezy, ireo rahavaviny rehetra ao amin'ny Fikambanana, ny fianakaviany akaiky tamin'ny fikarakarana nahatomombana iny andro iray lehibe iny.
Na nisy fotoana nifanindry tamin'ny fandaharam-potoanan'ny Ankohonana teto Roma aza io omaly io dia mba nisy vitsivitsy ihany koa ireo afaka tonga nanotrona azy tany, relijiozy sy lahika, avy Roma, Aprilia, Naples, Sorrento sns.

Mba homen'ny Avo hery st tanjaka hatrany anie ianao, masera, ary hitombo fahamasinana ao anaty ny Saha nekenao ho asaina ao nandritra ny 25 taona. Mba ho maro noho ny hatreto ny vokatra amin'ny 50 manaraka.