Alahady 8 oktobra, fankalazana ny fetin'i Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo

 

Ny andron'ny 21 aogositra no fankalazan'ny Fiangonana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, izay mpiahy ny Ankohonantsika. Niparitaka isika ny volana aogositra teo noho ny fialan-tsasatra ka androany alahady 8 oktobra 2023 no nankalazantsika izany, niaraka tamin'ny eveka roa, Mgr Jean Pascal sy Mgr Donatien.