Natombok'izy ireo tamin'ny dinidinika, fifampizarana ary famelabelaran-kevitra aloha ny fotoana.
Rehefa izany dia niroso tamin'ny Sorona Masina notarihin'i mgr Pascal, evekan'Antsirabe izay notronon'ireo pretrantsika maromaro, eto Roma sy manodidina ary ry diakra Fabrice sy Rémi. Ny Zanaky ny Diosezin'Ambanja no nanomana sy nanentana ny litorjia.




































































































































