Alahady 12 novambra, faha-32 mandavan-taona nentanin'ny Fiombonan'ny Relijiozy

 

I mompera Aimé no nitarika ny Sorona Masina, notronin-dr'i mompera Eteinne, Mamy, Tojo, Andry ary aumônier. Ny maseran'ny Fikambanana "Battistine" no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin'ny anaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy ny Relijiozy. Taorian'ny Sorona Masina dia nisy ny famindram-pahefana nataon'ny birao nahavita adidy sy ny birao ho amperin'asa mandritra ny telo taona manaraka. 

Misy an'i masera Thérèse, trinitaire, koa moa miady mafy amin'ny aretina amin'zao fotoana izao ka nandeha nitsidika sy nankahery azy teny ny solontena vitsivitsy ao amin'ny Ankohonana rehefa vita daholo ny tao amin'ny San Macuto. Mitondra azy am-bavaka isika noho izany, toa ny itondrantsika am-bavaka ihany koa an'i frera Sylvain vao avy nisedra fandidiana mahery vaika koa ka nahatonga azy tsy afaka namonjy ny famindram-pahefana.