Alahady 3 desambra, alahady voalohany taona B, nentanin' ny Vondrona Saint Augustin

 

I aumônier no nitarika ny Sorona Masina niarahany nanolotra tamin'i mompera Jean de Dieu. Ny Vondrona Saint Augustin no nanomana sy nanentana ny litorjia.
Io moa izany no andro farany itondran'izy ireo ny anarana Saint Augustin noho ny tsy maha-afaka intsony an'i mompera Alain hanohy hitantana ity vondrona izay natsangany tamin'ny 2014 ity. Aorian'io dia ho anarana hafa no ho entin'izy ireo hanohizany izay fandraisana anjara sy adidiny ao amin'ny Ankohonana izay.