Alahady 30 jona, alahady faha-13 mandavantaona nentanin'ny Fraternità Malgascia

 

Rehefa avy nandray ny pallium naha-arseveka azy, omaly, i mgr Gustavo Bombin, O.SS.T arsevekan'i Toliara, dia tonga ihany koa nanolotra ny Sorona Masina niaraka tamin'ny Ankohonana ka nanotrona azy tamin'izany i mompera Raphaël, A.A sy mompera Khaleba, pretra diosezianina, vikera jeneralin'ny arsidiosezin'i Toliara izay niara-dia taminy nankatý Roma, niaraka tamin'i mompera Barnabé, mompera Daudet, mompera Tsiory ary i aumônier. Ny Fikambanana Fraternità Malgascia no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Hoy i Mgr Gustavo Bombin : "izaho dia pretra malagasy na lava orona aza. Vao voahasina pretra aho tamin'ny taona 1987 dia avy dia voairaka hanao ny asa fanompoana tany Madagasikara. Tsy mbola nanao lamesa tamin'ny teny vahiny aho noho izany. Ary raha nandray ny Pallium manamarika ny maha-arseveka ahy aho omaly, dia eto amin'ny Ankohonana katolika eto Roma ary Sorona Masina amin'ny teny malagasy avy hatrany no tarihiko."

Ary mbola notohizany hoe : "mahafinaritra fa ohatra ny tsy avy any an-dafy izahay tonga ato amin'ny Ankohonantsika tamin'izay lamesa tamin'ny teny gasy izay, indrindra koa amin'ity nanaingoanareo ny eglizy amin'izao isika mbola anatin'ny fankalazana ny fetim-pirenena izao (sady notondroiny ireo soratra sy harendrina ary sainam-pirenena nanaingo ny ôtely). Mafy 'nareo e, tena henjana nareo."

Taorian'ny Sorona Masina dia nisy ny fiaraha-miala hetaheta toy ny fanao isam-bolana fa nahazo loko hafa izy teto noho ny fandraisantsika ireto vahinintsika avy lavitra, sy ny fankalazana ihany koa ny tsingerintaona nahaterahan'i Demanette sy aumônier.

Hafaliana telo sosona. Rary soa bevata !