Alahady 14/01/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Tontosa soa aman-tsara ny lamesa niarahana tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny alahady 14 janoary teo (omaly), koa isaorana fa maro isika no nanotrona an'i Kardinaly tamin'iny sorona masina notarihiny tany amin'ny Paroasy San Gregorio Barbarigo (Laurentina) iny. Ny Paroasy moa no tompon'ny fandaharana mivantana, noho izany dia natao tamin'ny teny italianina ny lamesa amin'ny ankapobeny,  fa na izany aza dia nisy fandraisantsika anjara mivantana ihany koa, toy ny hira fidirana izay tamin'ny teny malagasy, ny vakiteny faharoa amin'ny teny malagasy ary ny hiran'ny komonio ihany koa. Taorian'ny sorona masina dia nisy ny fotoana nahafahan'ny tsirairay naka sary niaraka tamin'i Kardinaly tao am-piangonana. Nisy fotoana ihany koa nahafahan'ny tsirairay niresadresaka taminy na niarahaba azy tratry ny taona 2024.

Avy eo dia namonjy sakafo teny amin'ny trano fonenan'ny Frères Maristes izay misy an'i Frère Sylvain i Kardinaly. Ny Biraon'ny Ankohonana sy ireo solontena isaky ny fikambanana no nisolo tena ny Ankohonana tamin'ny fiarahana misakafo tamin'i Kardinaly. Tamin'izany no niahaban'ireo solontena, tamin'ny anaran'ny Ankohonana, an'i Kardinaly tratry ny taona vaovao 2024.  Mbola nanana fotoana moa i Kardinaly avy eo ka naterina fa ireo niara-nisakafo taminy kosa dia mbola nandamindamina sy nandio ny toerana. Misaotra antsika rehetra indrindra ireo izay nikarakara manokana ny sakafo nifampizarana.

Amin'ny 21 janoary izao dia alahady faha-3 mandavantaona (B), alahadin'ny Tenin'Andriamanitra. Amin'io fotoana io dia anjaran'ny MDMK no manomana sy manentana ny Sorona masina ao amin'ny San Macuto (Bellarmino).

Manakaiky hatrany ny datin'ny 11 febroary 2024 : hanao vokatra any amin'ny via dei Verbiti, 1, Roma (zona Ostiense) isika amin'io fotoana io. Entanina isika mba hiomana sahady amin'io vokatra hataontsika io.

Fanasana

Mikarakara fifampiarahabana tratry ny taona ny Fikambanan'ny Zanaky ny diosezin'Ambanja eto Italia amin'ny alahady 21 janoary 2024 ao amin'ny Paroasy Santo Spirito any Aprilia. Koa manasa antsika izay afaka amin'io fotoana io ry zareo.

Toy izany koa ny Communauté Malagasy any Napoli dia mikarakara fifampiarahabana tratry ny taona 2024 amin'ny alahady 28 janoary 2024 any Caserta. Manasa amin'io fifampiarahabana io koa ry zareo ho an'izay afaka. 

Mirary soa ho antsika rehetra !

 

P. Pascal sj