Alahady 21/01/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny Alahadin'ny Tenin'And/tra isika (alahady faha-3 mandavantaona B) ny 21 janoary 2024 teo. Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina, notronin-dry môpera Faly, Joslin ary Pascal. Amin'ny maha-Alahadin'ny Tenin'Andriamanitra azy dia nasiana fihetsika miavaka kely : nasiana fitondrana ny tenin'Andriamanitra mialoha ny Vakiteny. Taorian'ny evanjely dia nisy ireo andalan-tsoratra masina nozaraina tamin'ny olona ka ny tapany voalohany tamin'ny toriteny dia nifampizaran'ny tsirairay izay andalan-tsoratra masina voarainy, izay andalan-tsoratra masina tsy tokony hijanona eo amin'ny famakiana azy fotsiny fa iezahan'ny tsirairay hiainana. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia ary Frera Sylvain no teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka tamin'ny sorona masina.

Amin'ny 28 janoary 2024, alahady faha-4 mandavantaona (B), dia anjaran'ny ELVIR indray no manomana sy manentana ny litorjia.

Amin'ny alahady 11 febroary 2024, araka ny efa fantatsika, dia hanao ny "vokatra" any amin'ny Casa generalizia n'ny SVD isika , via dei Verbiti, 1, 00154 Roma (RM). Efa akaiky ny fotoana ary mila fahavononana amin'ny lafiny maro ny fanatanterahantsika an'izany. Fomba sy fotoana iray hanehoantsika ny fanohanana sy fampiroboroboana ny Ankohonana Rasoamanarivo. Mbola hampitaina amintsika eto ny antsipirihan'ny fandaharam-potoana amin'io andron'ny vokatra io.

Ao anatin'ny "Herinandron'ny firaisam-pinoana" isika izao (18 - 25 janoary 2024) : fotoana anentanana ny tsirairay mba hivavaka ho an'izany firaisam-pinoana izany. Lalana hitondra antsika amin'izany firaisana izany ny fifanajana, fifankatiavana ary indrindra indrindra fitodihana mandrakariva amin'And/tra. "Mba ho iray anie izy rehetra".

Tohizantsika indray ny fandiovana isam-bolana ny fiangonantsika ka anjaran'ny MDMK ny mitady fotoana hanaovan'izy ireo izany ny volana febroary 2024.

Mikarakara fifampiarahabana tratry ny taona 2024 any Caserta ny Communauté Malagasy any Napoli amin'ny alahady 28 janoary 2024. Manasa antsika izay afaka ho any izy ireo.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

 

P. Pascal sj