Alahady 28/01/2024

Miarahaba antsika rehetra indray !

Môpera Pascal no nitarika ny lamesa ny alahady 28 janoary 2024 teo, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Faly, Joslin. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i P. Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Isaorana isika tamin'ny fandraisantsika anjara isan-karazany tamin'ny fanatanterahana ny lamesa. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka tamin'ny alalan'ny famonjena ny sorona masina. Tamin'io alahady io ihany koa no nanamasinana ny evekan'i Taolagnaro, Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, ka niombom-bavaka tamin'ny Fiangonana any Madagasikara isika, indrindra tamin'ny diosezin'i Taolagnaro.

Fampahafantarana sy fampahatsiahivana vitsivitsy :

Amin'ny 4 febroary 2024, alahady faha-5 mandavantaona (B), dia anjaran'ny "ekipa sôlida" indray ny manomana sy manentana ny litorjia.

Ny fanadiovana ny fiangonana dia hotohizantsika indray amin'ny volana febroary 2024 io ka anjaran'ny MDMK ny mitady fotoana hanaovan'izy ireo azy amin'io volana febroary io.

Kely sisa dia higadona ny datin'ny 11 febroary 2024 izay hanaovantsika ny vokatra any amin'ny Via dei Verbiti, n°1, 00154 Roma (zona Ostiense). Tsy misy lamesa any amin'ny fiangonantsika San Macuto (Bellarmino) amin'io fotoana io fa any amin'ilay toerana hanaovana vokatra ny fotoanantsika. An'ny Pretra sy Relijiozy ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'io andro io. Entanina isika hitondra laoka hifampizarana fa ny vary sy ny zava-pisotro efa homanin'ny Ankohonana. Vokatra koa amin'io ka entanina hitondra zavatra hatao vokatra na solom-bokatra.

Toy izao ary ny fandaharam-potoanantsika amin'io andro io :

Amin'ny 9:00 ny fahatongavana (fifanomezan-tanana amin'ny fanomanana ny toerana)

9:00 - 10:15 : fanaovana "enregistrement" ny vokatra entintsika

10:30 : lamesa

Vita lamesa dia atomboka ny lavanty 

Sakafo sy korana (sady tohizana ny lavanty)

Tombanana ho aoriana kelin'ny amin'ny 5 hariva ny fandaminana sy fandiovana ny toerana mba hahafahantsika mamarana tanteraka farafahatarany amin'ny 6 hariva.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal sj