Fankalazana ny Trinite Masina ny Alahady 15 jiona teo sady fotoana niarahantsika tamin'ireo Evekan'i Madagasikara rehetra izay manao Fivahinianana Masina. Mihaona amin’ny Papa Leon XIV koa izy ireo ny alatsinainy.
Misaotra ny MDMK sy ireo nanampy azy ireo tamin'ny fanentanana ny litorjia. Misaotra ny Pretra sy Relijiozy tonga maro be, sy nanome endrika ny hira fisaorana tamin’ny alalan’ny dihy. Nahafapo ny natao tamin’io Alahady io koa mankasitraka antsika rehetra tonga nifanotrona.























































































































