Alahady 10/03/2004

Alahady nanaovana ny récollection notarihin'i mompera Joslin ny alahady 10 martsa teo. Mompera Mamy no nitarika ny lamesa notronin-dr'i mompera Joslin, Étienne, Tojo, Claudy, ary ny diakra Olivier. Ny fiombonan'ny Pretra sy  Relijiozy no nanao ny fanentanana ary Hervé no nitendry ny zavamaneno.
Ry zareo tao amin'ny mpanolotsaina no nanomana ny vavaka natao nandritra ny Làlan'ny Hazo Fijaliana ary nanampy azy ireo tamin'ny fanatontosana izany ny Filohan'ny relijiozy sy ny solontenan'ny birao.

Ny litorjia amin'ny alahady 27 marsa dia anjaran'ny MDMK.
Ho tonga hiara- mivavaka amintsika ao amin'ny San Macuto amin'io alahady io ny pretra provinsialin'ny Fikambanan'i Jesoa ary hisy "chocolat chaud" ho fandraisana azy aorian'ny lamesa .

Efa voaoman'ny birao ny litorjia  mandritra ny hateloan' andro mialohan'ny Paka ka toy  izao ny fandaminana ny anjara andraikitra amin'izany: 

Alakamisy Masina
Manentana : Fraternità Malgascia
Vakiteny 1 : Ekipa solide
Vakiteny 2 : Relijiozy
Ranombavaka : Elvir, MDMK

Zoma Masina
Manentana : Ekipa solide
Vakiteny 1 : Relijiozy
Vakiteny 2 : MDMK
Ranombavaka : Elvir, Fraternità Malgascia

 — Sabotsy Masina
Manentana : Relijiozy
Vakiteny 1 : MDMK
Vakiteny 2 : Elvir
Vakiteny 3 : Fraternité
Vakiteny 4 : Ekipa solide

Entanina hatrany  ireo ekipa rehetra manomana ny litorjia isam- bolana mba hijery akaiky ny tetiandro efa nalefa any amin'ny serasera any satria tsy ny litorjia ihany no any fa misy ny programa hafa toy ny "chocolat chaud" sy ny "sortie" izay mbola entina am-bavaka hatrany. 

Miangavy  ihany koa an'ireo fikambanana sy  ekipa tsirairay  hanao jery todika ny mety ho fanatsarana ny litorjia, handefa sosokevitra mahakasika izany ary handefa izany any amin'ny aumônier. Mba tsy hijanona amin'ny "formalité" fotsiny anie ny sosokevitra alefantsika fa hiditra amin'ny tena votoatiny sy ny tena zava-dehibe ilaina handrindrana ny litorjia ao am-piangonana. Isika tsy ao anatin'ny fikambanana koa dia afaka mandefa izay mety ho hitantsika ho fanatsarana izany litorjia izany. Aorian'izay zavatra tapak'ireo tompon'andraikitra amin'izany dia ho lazaina ampahibemaso ny mety ho endrika iombonana handrindrana ny litorjia mba tsy hisian'ny fisarantsarahana. 

Farany sady zava-dehibe indrindra dia ny fisaorana  anareo rehetra izay nandeha namangy ny aumônier tany amin'ny hopitaly sy ianareo rehetra nitondra azy am-bavaka. Mbola mitohy ny fanarahana akaiky ny fahasalamany. Mirary ny soa sy ny tsara ho azy isika.