Alahady 21/04/2024

 

Faly miarahaba antsika rehetra indray !

Môpera Daudet no nitarika ny sorona masina ny 21 aprily lasa teo, alahady faha-4 amin'ny Paka (B), notronin-dry môpera Joslin, Faly. Niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy i Francel ; ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i Fr Sylvain teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana daholo isika rehetra tamin'ny fandraisantsikia anjara isan'ambaratongany avy tamin'ny fanatanterana ny sorona masina.

Tamin'io alahady io ihany koa no nanatanterahantsika ny famangiana an'i Mr Fanja noho ny fahalasan'ny reniny tany an-tanindrazana, Madagasikara. Nentintsika am-bavaka hatrany moa ny fialan-tsasatry ny fanahin-dRazafindramaroavomanana Odette.

Tsikaritra ihany koa fa maromaro ireo olona vaovao tao am-piangonana, tonga niara-nivavaka tamintsika noho ny fandalovana na fahatongavan'izy ireo eto Roma. Tonga soa mandrakariva ao San Macuto isika rehetra (Via del Seminario 120, Roma), toerana iarahantsika mankalaza ny sorona masina amin'ny teny malagasy isaky ny alahady amin'ny 9:30 maraina, sady sehatra hahafahana mitafatafa ihany koa.

Amin'ny 28 aprily izao, alahady faha-5 amin'ny Paka (B), dia anjaran'ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia. Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" kosa no mitady fotoana hahafahan'izy ireo mandio ny fiangonantsika ny volana "mai".

Momba ilay jeritodika na tolon-kevitra momba ny litorjiantsika, izay nangatahana tamin'ny Fikambanana na Vondrona tsirairay dia isaorana ny efa nandefa ny azy any amin'ny Présidente Hanitra na any amin'ny aumônier. Ampahatsiarovina kosa izay mbola tsy nanome fa amin'ny 28 avrily izao ny daty farany hahafahana mandefa azy. Zava-dehibe ho an'ny fanatsarantsika ny litorjia izany mba hanampy antsika hivavaka bebe kokoa hatrany.

Entintsika am-bavaka ihany koa i Mme Anne (ao amin'ny Fraternità) izay namoy ny reniny tany Madagasikara. Miombona aminy isika ary mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny mamany.

Mankasitraka antsika rehetra ary samy hotahian'Izy Tompo daholo !

P. Pascal sj