Alahady 26/05/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Vita ny fankalazana ny "Andro maneran-tany ho an'ny ankizy" izay nofaranana tamin'ny fankalazana ny sorona masina notarihin'ny Papa Fransoa tao amin'ny Piazza San Pietro Vatican. Nanomboka tamin'ny 10:30 ny lamesa. Ankoatr'ireo malagasy sasany afaka namonjy ny sorona masina dia nanana ankizy 10 sy mpitarika 6 nisolo tena manokana koa ny "aumônerie" malagasy. Isaorana antsika rehetra, na ny ankizy tompom-pety na ny lehibe izay niombona ka nanotrona azy ireo. 

Taorian'ny sorona masina dia notohizantsika ny fankalazana tamin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo, fanapahan'ireo ankizy ny mofomamy ary fiaraha-mikorana tao amin'ny Residenza San Pietro Canisio. Eto dia tsy ho voatanisako daholo ireo fifanomezantsika tanana fa samy nanao izay ho afany. Tolorana fisaorana mitafotafo ny rehetra.

Amin'ny alahady 9 jiona 2024 izao dia anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy indray ny manomana sy manentana ny litorjia. Ny M.D.M.K. kosa no hiandraikitra ny fandiovana ny fiangonantsika ho an'ny volana jiona 2024.

Tsy misy sorona masina any amin'ny San Macuto Bellarmino ny alahady 2 jiona 2024 noho ny fetin'ny fahaterahan'ny Repoblika italianina, izay sendra andro alahady amin'ity taona ity. Hanano sarotra noho izany ny fihazoana ny afovoan-tanàna izay misy ny fiangonantsika (lalana tapaka, fivilian-dalana...). Fa amin'io andro io kosa dia misy lamesa sy fihaonana karakarain'ny zanaky ny diosezin'Ambositra mba hanomanan'izy ireo ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny diosezy-Ambositra. Môpera Pascal, vikera jeneralin'ny diosezy, no hitarika ny sorona masina amin'io andro io. Asaina daholo isika araka ny fanasana izay efa hitantsika ao amin'ny WhatsApp n'ny Ankohonana Rasoamanarivo. Manomboka amin'ny 10:30 ny lamesa ary any amin'ny Via Madonna del Riposo 63, 00165 Roma ny toerana.

Miomana amin'ny fandraisan'ny arsevekan'i Toliary ny pallium izay hatao ny 29 jiona 2024 ihany koa isika. Hampitaina amintsika tsy ho ela ny antsipirihan'ny fanotronantsika an'io arseveka io.  Amin'io andro io ihany koa dia hisy fanononana voady farany hataon'ny maseran'ny Trinitaires de Rome any amin'ny Madonna del Riposo. Manasa antsika rehetra ihany koa ry masera.

Miombom-bavaka amin'i P. Kennedy (Aprilia) izay vao avy namoy ny Rainy  isika. Mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny nodimandry ary mirary fiononana ho azy sy ny fianakaviany !

Mirary soa ny rehetra !

P. Pascal, sj