Ny ankizintsika nisolo tena an'i Madagasikara teny amin'ny 'Giornata Mondiale dei Bambini' - GMB 2024

 

Fankasitrahana mitafotafo no atolotra ireo ankizy 10 mianadahy nanatrika ny GMB 2024 (Giornata Mondiale dei Bambini ) omaly alahady 26 mey teny amin'ny Kianjan'i Md Piera, Vatican. Toloranay fisaorana koa ianareo ray aman-drenin'izy ireo nampitafy azy ho tsara tarehy, nikarakara ny fanaterana sy nanatrika hatramin'ny farany ny fandaharana na dia teo aza ny hafanan'ny andro.

Mbola nitohy moa ny fiaraha-mifaly taorian'ny Sorona Masina kanefa tsy omena tsiny ireo zaza sy ray aman-dreny sasantsasany tsy afaka nanohy izany nohon'ny adidy hafa niandry azy ireo tany amin'ny fiarahamonina nisy azy tany.

Isaorana etoana i mompera Pascal (aumônier n'ny fiangonana malagasy atý an-toerana) nikarakara ary tena nivezivezy tokoa tamin'ireo antontan-taratasy rehetra nilaina tamin'iny fihaonana iny sy ny fampiantranoana.

Mankasitraka an'ireo komity sy ireo olona tonga nanome tanana tamin'ny fanatontosana iny fety iny, ireo nitondra sakafo na zavatra nanampiana izay nomanin'ny fiangonana. Voahaingo tsara ny toerana, masaka tsy nisy nokianina ny sakafo, nadio sy nilamina tsara ny toerana nandalovana vao navela koa dia misaotra e !

Misaotra an'i Mr Hervé tamin'ny zava-maneno sy ny fanentanana ary ny fanetsiketsehana ny ankizy sy ny rehetra nandritra ny fety.

Teo mandrankariva koa i Fr Dezy tamin'ny mofmamy sy ny fitaterana ny fitaovana nampiasaina tamin'ny fandrahoana koa dia mankasitraka sy mankatelina re !.

Isika rehetra tonga nanotrona sy nitondra am- bavaka : pretra, relijiozy, ray aman-dreny, tanora dia tolorana fisaorana mitafotafo.

Mbola GMB ihany iny fa mboka hitohy amin' ny jobily iraisam-pinoana ho an'ny ankizy maneran-tany ny 24 sy 25 mai 2025 ny fiarahantsika koa dia apetraka eo ampelan-tànan'ny ao Ambony izany rehetra izany.