Ny Ankohonana nanao ny adidiny farany tamin'i mompera Jean Simon Jude tany Rieti

 

Tampoka tokoa no nandraisan'ny Ankohonana sy ny zanak'i Madagasikara am-pielezana atý Italie ny vaovao mampalahelo avy tamin'ny evekan'ny diosezin'i Rieti, nampandre ny nahalasanan'i mompera Jean Simon Jude Rabemanantsoa, omaly 28 mey 2024.

Mahatsiaro tena manana adidy farany aminy isika amin'ny maha-Ankohonana katolika antsika sy amin'ny anaran'ny fihavanana malagasy ka dia tonga nidodododo teny amin'ny bazilikan'i Sant'Agostino ao Rieti ireo izay afaka, nifankahery, nankahery ireo rahalahiny ao amin'ny Diosezy sy ny EKAR manontolo any Madagasikara ary nanolotra ny Sorona Masina ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny androany alarobia 29 mey.

Ho entina hitodi-doha any an-tanindrazana izy, hody vovoka any amin'ny tanin'ny razana, am-piandrasany ny fitsanganan'ny kristianina any amin'ny fiainana mandrakizay.

Miombona alahelo sy maneho hatrany ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviana izay nilaozany ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. Handry am-piadanana anie ny fanahiny.