Alahady 16/06/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny alahady faha-11 mandavantaona (B) isika tamin’ny faha-16 n’ny volana jiona lasa teo. Môpera Nicolas no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i môpera Joslin sy Pascal. Ny nanomana sy nanentana ny litorjia kosa dia ny tao amin’ny M.D.M.K ; môpera Joslin teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 
Anjaran’ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 23 jiona 2024, alahady faha-12 mandavantaona (B). 
Mankasitraka ny M.D.M.K. nanatanteraka ny fanadiovana ny fiangonantsika tamin’ny alahady 16 jiona teo taorian’ny sorona masina. Anjaran’ny ELVIR indray ny mitady fotoana handiovana ho an’ny volana jolay 2024.

Amin’ny alahady 23 jiona izao dia, toy ny mahazatra, hisy lamesa ny tapany maraina. Ho tonga hanao ny raharaha maha-diakra azy amin’izany i diakra Fabrice (salezianin’i don Bosco), izay nohamasinina diakra vao tsy ela akory izay tany Messina. Ny tapany hariva indray, amin’ny 2:30 tolakandro, dia hisy vavaka iraisam-pinoana karakarain’ny F.F.K.M. Roma. Izany no  hatao moa dia mba hitondrana am-bavaka ny firenena izay hankalaza ny fetin’ny fahaleovan-tena. Ny toerana dia ao amin’ny Fiangonana San Macuto Bellarmino, via del seminario, 120, 00186 Roma. Manasa antsika hiaraka hitondra am-bavaka ny firenentsika !
Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hanao dom-bera fifampiarahabana sy fifampirariantsoa isika ka samy mivimbina izay kely zakany hifampizarana. 

Amin’ny sabotsy 29 jiona 2024 indray dia hisy adidy masina lehibe ihany koa miandry antsika. Handray ny pallium amin’ny maha arseveka azy i Mgr Gustavo, arsevekan’i Toliary. Eto Roma no hanaovana izany : lamesa ao amin’ny basilika San Pietro ny maraina amin’ny 9:30. Aorian’ny lamesa dia hihazo ny Residenza San Pietro Canisio isika (via dei Penitenzieri, 20- 00193 Roma) hiara-hisakafo sy hirary soa ny arseveka. Miditra eo amin’ny vavahady Borgo Santo Spirito, 4, 00193. Ankoatry ny fanomanan’ny Ankohonana ny vary sy zavatra hafa dia samy mivimbina izay zakany ihany koa hiarahantsika mifampizara sy manotrona an’i Mgr Gustavo. 
Ny harivan’io andro io, 29 jiona, dia hisy fanononana voady farany any amin-dry masera Trinitaires de Rome ka anasana antsika ihany koa (via Madonna del Riposo). 
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, S.I.