Fandraisan'i Mgr Gustavo Bombin ny 'Pallium' tamin'ny 29 jona 2024

 

Tontosa soa aman-tsara tamin'ny sabotsy 29 jona teo ny fandraisan'i Mgr Gustavo Bombin ny "Pallium", mariky ny maha-arseveka azy hiadidy ny arsidiosezin'i Toliara. 

Mamerina ny fiarahabana azy isika ary mirary soa azy hatrany amin'ny raharaha maha-mpiandry ondry azy.
Misaotra antsika rehetra tamin'ny fiarahana sy fanotronana azy tamin'iny fotoana iny, na tany amin'ny Sorona Masina tany amin'ny Bazilikan'i Md Piera izany, na tany amin'ny fiarahana nisakafo sy nikorana tany amin'ny Residenza San Pietro Canisio.

Vitsy tokoa ny sary azo nandritra ny fotoan-dehibe tao anaty bazilika fa raha mbola misy manana azo ifampizarana dia raisina an-tànan-droa.