I mompera Bosco, avy ao amin'ny diosezin'i Morondava, no nitarika ny Sorona Masina niarahany nanolotra tamin'ireo pretrantsika sasantsasany. Ny Fikambanana Fraternità Malgascia no nanomana sy nanentana ny litorjia.
Tamin'ity alahady ity koa no nandraisan'i Remi Ruan Samat ny sakramentan'ny Batemy. Miarahaba azy, sy ny ray aman-dreny niteraka ary ny mpiantoka isika ary mirary an'i Ruan kely hitombo anatin'ny Fahasoavana.






































