I aumônier no nitarika ny Sorona Masina lehibe tamin'ny alarobia 25 desambra, andron'ny Noely teo, ary nanotrona azy ry mompera Olivier, Eugène, Nicolas, Luc, Frésie ary José, sy i diakra Rémi. Ny Antoko Mpihiran'ny Ankohonana,izay vao nitsangana kosa, no nanomana sy nanentana ny litorjia.